Dikan'ny teny : Asa

Hampiditra dikany vaovao
1 a,: Teny ilazana izay atao: Asa mafy ny mitaona vato. ~ Raharaha: Inona no asan'ny rainao, ry zaza?. •Fihadiana tany amin'ny angady mba hovolena: Tsy mbolo vita asa ity tany US,' ka karakarao. Fampiasana: Asa saina - t.i.f,: Asaina, voasa 1 miasa, fiasa, mpiasa 1 iasana, fia-sana 1 mahasa. - F.-p.: Asa basy: fianaran' ny miaramila mampiasa basy. / Asa dia: fivezivezena a-tao mba hanala voly ny tongotra. / Asa saina: asa ampiasana indrindra ny saina, oh.: fampianarana, fanaovam-boky. / Asam-birao na osa birao: asa atao any amin'ny birao, izay miompana indrindra amin'ny soratra. 1 Asa ta-nana: asa ampiasana indrindra ny tanana, asa taozavatra toy ny fandrafetana, fiasantany. J Asa tany: asa fambolena, izany hoe fitrandrahana ny tany. / Asa tena: asa mahaleo tena, izany hoe asa tsy miankina amin'olon-kafa manakarama ny tena fa ny vokatry ny asan'ny tena ihany no ohatra ny karaman'ny te-na. / Asa soratra: lahatsoratra na boky vita-na mpanoratra: Efa vita printy ny asa soratry ny Avana. / Asa tombamboroka: ny tany manaraka ny ahitra sorohina. / Asa vadi-drano: asa tanimbary fa-no rano. / Asa xama: asa tany rakotra ahitra be. * Ohab,: Asa vadi-drano tsy uita raha tsy ifanakonana: asa sarotra tsy vita raha tsy ifanampiana. Ahitsio
2 ft.: Enti-milaza fiantsoana na fiangaviana olona hanatrika lanonana na hisakafo, fitaomana olona hanao zavatra. i Li. f.: Asaina, voasa 1 mana-sa, fanasa, mpanasa 1 anasana, fanasana. Ahitsio
3 p. m t.: Entina mamaly, ka milaza tsy fahafantarana na tsy fisafidianana: Rahoviana ionareo no handeha? — Asa tsy fantatro fa manavy ny zanakay. / Handeha ianao sa hijanona? — Asa, izay tianao no hataoko. - F.-p,: Manao asa azy: manao hoe "raharahany izany", tsy miraharaha. / Asanao: ianao no tompon-tsafidy. Ahitsio
4 ft.: Enti-milaza fandranitana zava-maranitra. - t.i.f: Asaina, voasa 1 mana-sa, fanasa, mpanasa 1 musa-na, fanasana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel