Dikan'ny teny : Hery

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Tanjaka: Mahazendana ny herin'io lehilahy io fa voatariny amin'ny tanana ila ny fiarakodia. 1 Fahefana: Manan-kery lehibe io fanjakana io. • Hafanam-po, fanamparan-tanjaka: Alao hery, rankizy, ny fianarana. / Manao an-keriny. / Asa, vokatra: Manan-kery mety hahasitrana ity zauamaniry ity. / Nisy heriny tokoa ny fivavahana nataonareo. ? Ambiny: Asio heriny kely ny karamako fa nitombo betsaka ny asa tamin'ito.(•Hany zavatra azo natao: Tsy hitako izay hatao, ka heriko nivoaka. - t.i.f.: Berezina, ankaherezina / mahery, mpahery / aherezana, faherezana / mankahery, mpampahery, mpankahery / ankaherezana, fankaherezana / mihahery. - F-p.: Alao hery: famporisihana handeha haingana, na hiasa betsaka; fampaherezana. / An-kery, an-keriny: fanaovana an'aina tsy misy rtndrany. / Herim-batana: tanjaky ny tena miankina amin' ny vatana fotsiny. / Herimboantay: enti-milaza ny herin'olona tsy dia matanjaka firy fa be kiry miserana fotsiny. / Herim-po: herin'ny sitra-po mandresy ny tahotra sy ny henatra ary tsy mikendry afa-tsy ny hahavita zavatra ka milofo hatramin'ny farany. j Herin-tsaina: toetra feno toky sy fikfrizana ary vonona handresy ny sarotra. / Herin-doha: tany tsara ampy hivelomana. / Hery setra na herisetra: fihetsika mitratrevatreva sy mihetraketraka. Lany mondron-kery: fongana ny hery rehetra tamin'ny asa na ny fanaovan-tsoa. * Ohab.: Ny hery tsy mahaleo ny fanahy: entina milaza fa ny tanjaka fotsiny tsy misy fisainana dia tsy ampy. ( VouSn'alika tsy hery fa tahotra: entina milaza ireo be vava izay be feo fotsiny ne-fa kanosa tsy sahy miroso hifanandrina. Ahitsio
2 a: Anarana ilazana ankapobeny ireo zavamaniry misy tsilotsilony, toy ny havoatra, angivy... Ahitsio
3 ft.: Fandefasana fivalanana. - t.i.f : Mangery, fangery l angerena, fangerena. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel