Dikan'ny teny : Kalandrie

Hampiditra dikany vaovao
1 (fc calendrier) a: Fanisana andro vahiny izay arahina saiky eran'izao tontolo izao, ary nokendrena hifanaraka amin'ny fihodinan' ny tany manodidina ny masoandro, lalana ataony mandritra ny andro 365 1/4. Ny isa 365 no nozaraina amin' ny volana 12 toy izao: Zan-vie (31), Fevrie (28 na 29), Marsa (31), Avrily (30), Mey (31), Jiona (30), Jolay (31), Aogositra (31), Septambra (30), Oktobra (31), Novambra (30), Desambra (31); mba hahamarina tsara ny fifanarahan'ny kalandrie sy ny fandehan'ny masoandro, dia notratrarina ilay fahaverezana ampahefatr'andro (1/4) isan-taona amin'ny fanampiana andro 1 isaky ny efataona ka ny volana Fevrie no niharan'izany, izay ampitondraina 29 andro isaky ny efataona Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel