Dikan'ny teny : Mangidy

Hampiditra dikany vaovao
1 (ngidy) p.t.: Mana-na tsiro ratsy be amin'ny le-la, mampivivy, mifanohitra amin'ny mamy: Mangidy ny kininina ka tsy tian'ny zaza. • Masiaka: Mangidy ny sakay. • h.o.: Mampahory izaitsizy, mampangirifiry: Mangidy izay fahoriana nanjo azy izay. • Tsy anerany, mihoa-pampana: Mangidy ny halafon'ny hena ankehitriny izany. • Fatratra, mantsalay, kinga sy mahay: Mangidy io Rangahy io raha hampianatra. ? Mafy, manindrona: Mangidy izany teny izany, hoy ny olona nihaino ny tenin'ny manampahefana. • Sarotiny, mahihitra: Lehilahy mangidy velona iny; tsy hanome eranambatry anao iny na hiofo aza ny angidina - F.-p.: Mangidy hoditra: tsy tiam-bahoaka, tsy tian' ny tany ama-monina. / Mangidy sira: be sirs izaitsizy. / Mangidy vato: tsaza aoka izany. / Manao mangidy tsy andramana: mbola tsy nanandrana na nitsapa zavatra iray akory dia mihevitra azy ho ratsy na tsy ho vita. * Ohab.: Ao anatin'ny mangidy no misy ny mamy: ny fisahiranana sy ny asa mafy matetika no ahitam-bokatsoa mahafinaritra. / Fatrapitady ny manganana ka sendra ny mangidy tsy telina: indraindray ny fikatsahana hahazo baba na tsaratsara kokoa dia vao mainka mety hampahita angano. ) Mangidy vao ny alahelo: eo amboalohany no mila tsy ho tanty ny alahelo namoy havan-tiana fa rehefa ela mihamalefaka ihany. / Tsy misy mangidy toy ny sakay fa rehefa teny ierana mamy: enti-milaza fa rehefa sitraka sy nifanarahana, dia maniary mora na dia sarotra sy manahirana aza. ¶ Mh: Mafaitra, mangeroka,"hentona, monta, mangananganana, mangidy toy ny tangena, mangidy ohatra ny vahona. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel