Dikan'ny teny : Sorona

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Zavatra na biby atolotry ny mpivavaka ho fanatitra solon'ny tenany a-min' Andriamanitra: Manolotra sorona. é tif,: Misorona, fisorona, mpisorona / isoronana, fisoronana / mahasorona. Ahitsio
2 a.: Fikarakarana ny firehetan'ny afo amin'ny fandrosoana ny kitay ao ampatana. - t.i.f.: Soronina, asorona, voasorona / misorona, fisorona, mpisorona / isoronana, fisoronana / mahasorona. Ahitsio
3 a.: Tsy filazana amin' ny olona izay zavatra hita fa tsy mety ataony, na mikasika azy na mikasika ny havany. * t.i.f.: Misorona, fisorona, mpisorona / isoronana, fisoronana. ? F.-p.: Tsy misorona: tsy manoro vohony, tsy mandainga fa milaza ny marina, omban'ny hevitra hanasoa; manambara ny marina sy ny mahasoa mba tsy hahavoafitaira; tsy manafina ny tena toe-javatra mety hahatonga fahavoazana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel