Dikan'ny teny : adaoro

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Anaran'ny volana faharoa amin'ny filaharan'ny volana malagasy marina, manarakaraka ny Alahamady ary alohan'ny Adizaoza, ka ny toerana nomen'ny Ntaolo azy tao an-trano dia eo amin' ny lafin-drindrina atsinanana, ilany avaratra, ka eo no fametrahana ny fandriana. Ny tononandro Adaoro dia atao hoe andro mena na andron'afo ka natahorana amin'ny afo ary halam-baratra ny trano aorina amin'ny A-daoro, ? Fanandr.: Ny zaza teraka vava adaoro dia atahorana afo ka alana vintana; ny teraka vody adaoro, tsara fa hidaoro (hidoboka) tsara: mahay mitondra ny tenany, mahay miteny; raha lehilahy dia mpikabary; raha vehivavy, mahay mitondra tena. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel