Dikan'ny teny : ady

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Fifamelezana, fifanafihana amin'ny basy amandefona: Nahafaty olona antapitrisany maro ny ady lehibe roa farany. • Fifampitoriana any amin'ny Fitsarana: Manana ady amin-dRakoto, hono, Rabe. • Tsy fifanarahana, mety hiafara amin'ny fifamaliana mafy na amin'ny fifamelezana mihitsy aza: A-dy be ny azy roa lahy momba ilay boky nindramin-dRanaivo ha veriny. • Fihaonan' ny rafitra, fifanarahan-doko, fitovian'ny zavatra adika amin'ny dikany: Manaitra ny maso avy hatrany ny adin'ny loko amin'ity sary ity. • t.i.f.: miady, fiady, mpiady / iadiana, fiadiana ! manrpiady 1 ampiadina / ampiadiana, fampiadiana / adiady / mahady. ¶ M.h.: fanditra, fifandirana, fanjihitra, fifanjihirana, adilahy, sotasota, vaniny, kisa, gidragidra, vezovezo, sentsena, setrivoho. • f.p.: Ady am-panarahana: ady ahitana ny resy manarina ady, ny mahery mamaly faty; Ady am-parimbona: itambaran'ny mpomba an'ilay iray ankilany ilay anankiray miady aminy (M. h.: angaredona); Ady an'ohatra: fizarana amin'ny ady, sarin' ady; Ady an-trano: fifamelezan'ny samy iray firenena na iray fianakaviana; Ady antsanga: ady an-tsena: adin'ny samy mahery am-bava, ny samy vavàna; Ady fady: tombotomboka atao olona tsy mifankaheny izay ampangaina ho misakaiza; Ady fanjakana: adin'ny samy tompomenakely fahiny raha nisy nihoatra tamin'ny menakelin'ny iray ny iray; Ady fo: fikelezana aina izaitsizy; Ady fom-pananana: ady atao mba hahazoana tombony amin'ny zara lova; Ady gehina: ady a-tao an-ditra; Ady hevitra: ady ifandresena lahatra; Ady hihy: fampikatrokatrohana ny nify ataon'ny olona efa banga tsisy nify intsony; A-dy karajia: ady lahateny am-bava; Ady lojika: ady hevitra maty paika; Ady loha: fandanjana ny lohatrano; Ady lona: ady momba ny trosa tsy voaloa hatry ny ela; Ady madio: ady momba ny harena; Ady maloto: ady heloka, ady mifanendry mosavy, mangalatra, mamono; Ady rafi. tra: famitranana ny rafitra; Ady ratsy: ady misy vono olona; Ady sahala: ady tsy misy resy, tsy misy maharesy; Ady samy irery: adin'olondroa mifampitana, tolon-tsamy irery, taribaniana, balahazo; Ady saritaka: ady mikorontana, mifanjevo; Ady uarotra: fifamalian'ny mpividy sy ny mpivarotra momba ny vidin-javatra; teny ifampiraharahana: "Izaho, hoy Andrianampoinimerina, tsy ma-nana ady varotra aminareo"; Ahitsio
2 ady telo: adi-rafi-biriky izay ahitana biriky telo indray milahatra; Ady zoro: fandanjana ny zoro; Ady tsy ahi-mahatratra: ady mahavoa, mahafaty nefa tsy nampoizina; Ady tsy tra-mahahery vava: ny tsy mikasika ny tena mahatonga ho be rasa-ka; Ady volom-balala, ady anoano, ady riuotm: ady atao amin'ny zavatra tsy dia inona akory; Ady uoninahitra na ady lahy na ady laharana: adin'olona samy te hatao hoe ambony na be voninahitra; Adim-behivauy: adin'izay ny vava no mandray anjara betsaka; kitozan-teny la-va tarozaka; Adim-pirenena: ady ifamelezan'ny firenentsamihafa; Adin'ankizy: tsy misy mifanao am-po; Adindrenikisoa: ady mikorontana, mifanjevo; Adin-dreniomby: zava-madinika; Adin' ombalahy: zava-dehibe; A-din'ny mpivady: ady noho ny zavatra kely tsy misy antony nefa mora mitony ihany; Adin-tSakalava: ny andriana no mitari-dalana; A-din-tsikidin-drano: ady samy miala tsy misy maratra; Lokan'ady: dfna ifanaovan'ny miaramila handeha hiantafika; Tetik'ady na paik'ady: tetika atao mba hahombiazana amin'ny ady. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel