Dikan'ny teny : afaka

Hampiditra dikany vaovao
1 mt. ih. Miala, mivaha: Afaha ny tady tamin'ny tongotr'ilay akoho ka lasa izy. ¶ M.h.: tosaka, votsotra, tapaka. 1 Miala, mitsoaka,miombotra, miongotra: Notsofin'ny riuotra ka afaka ny sauilim-barauarana. Nianjera izy ha afaka ny nifiny. ? Miala, miendaka, mikipaka: A-faka daholo ny tafontrano tamin'ilay duo-doza teo iny. ¶ M.h.: lasa, misendaka, misindaka. ~ Miala, mihintsana, miraraka: Afaka daholo ny ravinkazo. 1 Tafahoatra, tafadingana, tafita: Tsy afako io hady io fa be t'ahana 1oatra. Arahaba fa afaka fanadinana. ? Vita, efa, tontosa, azo: Afak'izy roapolo lahy ny tanàna. ? Voala, voaesotra: Afaka ny akotry tamin'ny uary. Tsy mety afaka ilay pentin-dranomainty tamin' ny akanjonao. H.o.: Voala, voavela, voavotsotra: Mandehana fa afaka ny helokao, hoy i Jesoa tamin'ilay boha. ~ Nalana, nmindrana fo: A-faha amin'ny karatra izy fa maro anaka. Afaka tamin'ny loa vola izy. • Nialana: Afaka entam-be aho tamin'ny nahasitranan'ny zanako. ~ Teny fanao saikina matoantenin'ny mpanao, enti-milaza fa manana ny ilaina rehetra mba hahavita zavatra ilay manao ny asan'ny matoanteny: Efa afaka mandeha ny zanako. Tsy afa-manoratra ny tanako. - F.-p. Afa-baraka, afa-pofona: very voninahitra; afa-bela: resy tamin'ny fanorona ka nanarina ny fahareseny indray; afa-doza, afa-paty: voavonjy soa aman-tsara tamin'ny loza saiky nahavoa ny tena; afa-draorao, afa-droromomo: a.b.t. tsy misy marokoroko intsony, madio malamalama; Ho. tsy misy zavatra manahirankirana; afadrofy: afaka aretina (teny firariana atao ny zaza mievina, toy ny hoe: velona, tsy tian-drofy); afa-tsiny: tsy voan'ny tsiny intsony ka ma-haro mandroso amin'izay ha-tao; afaka adidy: tsy miantoka izay hahavitan'ny zavatra iray na izay ho fandehany sa-tria efa nanao izay tokony hatao; afaka aina: maty,tsy misy aina intsony;afa-tondro maso, afa-kenatra: nahavita tsara ny natao ka tsY mahatsiaro menatra na kely aza; Afa-tondro maso isika fa naharesy; afa-jaza: niteraka zaza izay mbola tsy ampy andro ka maty (raha latsaka ny enimbolana an-kibo ilay zaza, dia atao hoe uaky manta no filaza an-dreniny afa-jaza); afa-karatsaka: enti-milaza zavatra vidina na amboarina, ka tsy andoavam-bola ambonin'ny vidiny; afa-pahasahiranana: miaina sambatra, tsy manan-javatra manelingelina ny saina; afa-tsilo, afaka ady: enti-milaza olona narary ka sitrana soa aman-tsara, na bevohoka ka teraka ara-dalàna; afaka entana: tsy manana izay manahirankirana intsony, tsy sembantsembana intsony; afa-pondro: mitovy amin'ny hoe afa-tsiny; afaka alanalana: tsy voasampontsampoe intsony; afa-bary: enti-milaza ny fotoana aorian'ny fanaovam-bary, ny fijiniana; afa-boady: nahatanteraka ny voady natao; afa-diana: tsy manan-javatra mahaliana intsony, izany hoe zavatra tian-kohanina na hojerena; afa-dranompanala: enti-milaza ny rano hafanaina ka vao matimaty;afa-dratsiaina: enti-milaza vehivavy bevohoka nomena izay tiany hohanina ka tsY maniry intsony; afaka olana: voamboatra ny nanahirana; afa-nenina: nahavita izay rehetra azo atao na tokony hatao; afa-paty: nihodivitra ny loza; afa-po: a) manana ny zavatra rehetra üaina: Misaotra indrindra, tompoko, fa afa-po ny zanako eto momba ny fianarana; b) lao, tsy mahazaka intsony: Veromanga nifandray tendre: ianareo soa, izahay tsara; ianareo tsy tia, izahay afa-po. (Hainteny) - d) miaiky fa tsy mahita, amin'ny fangalam-piery, * Oh.: Manan-jandry, afaka olan'entana, manan-joky, afaka olan-teny: enti-milaza fa araka ny fomba nentim-Paharazana malagasy, raha miaraka ny zoky sy ny zandry, ny zandry no miloniy ny entana ary ny zoky kosa no mandray ny fitenenan raha misy. I Aza manirina olona tsy afaka aina: aoka tsy hanao zavatra mbola tsy amin'ny fotoanany. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel