Dikan'ny teny : afo

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Fivoahan-kafanana sy hazavana miaraka, atera-javatra anankiroa: ny iray mety mirehitra (hazo, arina, bozaka...) ary ny iray tsy hita maso ao anatin'ny rivotra atao hoe oksizena, izay mandoro mahamay: Latsaka ny hariva ka efa mampirehitra afo ny olona - F,-p,: Tsy mamoaka afo: enti-milaza ny olona misaona ka tsy mbola afaka manao harendrina amin'ny Fandroana; maty afo: enti-milaza ny tsipoapoaka tsy mipoaka — na enti-milaza olona tsy manan-kandroina na hohanina; maka afo: tsy manana afo ka mandeha any an-tranon'olona maka vainafo mba hampirehetana afo any an-tranon' ny tena. * Ohab.: Manantsafa ohatra ny mpaka afo: manontany zavatra efa fantatra rahateo; misorona afo, manisy afo: mandroso kitay ao am-patana; main'ny afo natsangany: voan'ny nataony ihany. ¶ M. h.: mandrora mitsilany; afo nandoro ny lambako io: zavatra efa nahavoa ahy io ka tandremako tsars amin'ny sisa. b.: môtro Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel