Dikan'ny teny : babaka

Hampiditra dikany vaovao
1 ft.: Enti-milaza fitobahan-drano, figororoanana, fandriahana. - t.i.f.: Mibabaka. - F.-p.: Baba ra, mibaba ra (iaraha-mahalala fa betsaka ny teny izay manana endrika roa: na misy tovana ka, tra, na na tsotra izao fotsiny, toy ny hoe bila, bilaka; koa nt' babaka sy baba koa eto dia iray ihany): mandeha ra be, mitsonika ra, feno ra: Baba ra ny oron'ny zaza voadonan'ny sisin-databatra Ahitsio
2 ft.: Enti-milaza resaka feno menomenona, teny mitaraindraina (iaraha-mahalala fa betsaka amin'ny teny verindroa no mitovy amin'ilay teny tsotra niaviany misy ka na tra ihany, toy ny hoe miredareda sy miredaka; toraka izany koa, ny babaka, mibabaka dia iray ihany amin'ny teny ery ambony babababa, mibabababa): Nibabaha Ra-koto fa lasan'ny mpangarompaosy ny uolany roanjato. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel