Dikan'ny teny : banga

Hampiditra dikany vaovao
1 p.t.: Afa-nify, afaka: Lahiantitra banga. / Ny eo anoloana no banga ny nifindRamatoa io ka maharatsy azy aoka izany.• Nahafahana, simaka, rombina: Misy banga it? tamboho it/ ka tokony hamboarina. / Tsy misy banga hofenoina ny uoalazanao na madilana hotentenana. 4 Nisy niala ka tsy ampy: Tsy manaiky aho raha misy banga ny volako, na ariary aza. - t.i.f.: Bangaina / manabanga, fanabanga, mpanabanga 1 anabangana, fanabangana 1 bangabanga. - F.-p.: Banga ridana: tsY misy nify na dia iray aza. / Banga ridana tsy am-bodiakoho: enti-milaza ny ankizy banga mifo-nify (heverina manko fa ny antitra ihany, izay omena ny vodiakoho, no tokony ho banga). * Ohab.: Banga mihomehy: miamboho uao mitokelaka: Enti-milaza ireo olona mba mahalala menatra ihany ka tsy sahy mampiseho ny toetra ratsy imasom-bahoaka. / Ganga ny nify, adidin'ny loha: Izay akaikin'ny zavatra simba no tompon'andraikitra amin'izany. / Banga sendra voatavo: sendra ny antonona azy: Fifandrifian-javatra roa araka ny nahariana azy (masa-bary maito kitoza); na olona tsy mahay sendra raharaha mora antonona azy. / Banga very antsy: ny ho ken-da no ampoizina: Rehefa tsy manam-pitaovana, aoka hanampo fahavoazana. / Manaram-po ohatra ny banga mihomehy maizina: Enti-milaza ireo olona ratsy toetra ka manararaotra izaitsizy ny toe-javatra sendra. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel