Dikan'ny teny : bango

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Ny volo voaraotra sy voatambatra ho randrana tokana na roa, na efatra. - t.i.f.: Bangoina, voabango, nobinango / mambango na manabango, fambango na fanabango, mpambango na mpanabango / ambangoana na anabangoana, fambangoana na fanabangoana / mibango, fibango, mpibango / ibangoana, fibangoana 1 mahabango. - F.-p.: Bango roa: randrambolo roa mirotsaka an-kavia sy an-kavanan'ny loba. / Ban-go an-katoka: randram-bolo tokana manomboka eo ankatoka ka mirotsaka manaraka ny lamosina, fanao raha misaona. 1 Raha atao bango tokana: raha atao indray milaza fa tsy miditra amin'ny antsipiriany. Ahitsio
2 (BI) a.: Randram-bolo betsileo fanaon'ny vehivavy maro ankehitriny; mivona ao an-katoka ny volo. -0Bango Anakova (Bi) a: Randram-bolon'ny zanak'andriana betsileo, mipetaka manodidina ny sofina sy ny hatoka ny randrana. Bango (Sih) a.: Fomba fanaovana moraingy amin'ny fomba miadana sy milamina (mi-fan: Dodoria). Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel