Dikan'ny teny : botry

Hampiditra dikany vaovao
1 p.t.: Fohy, zeny, tsy mitombo intsony : Hazo botry. / Zazavavy botry kely. • H.o. s Tsy manana, lany harena, raya fananana : Izao vao tena botry Rakoto fa lany matin'ny ramoretaka ireo kisoo roa hany sisa nompiany, - t.i.f. : Botrina, voabotry I manabotry na mambotry, fanabotry na fambotry, mpanabotry, na mpambotry 1 anabotriana, fanabotriana i mahabotry 1 botribotry. - F.-p.: Vary botry : karazam-bary vaventy fohy, / Donga vatana fa botry lai-na : enti-milaza ireo zaza mi-hanta loatra, izay ny vatanY mety ho botrefona fa ny saine tsy mitombo na kely akory aza. * Ohob.: Aza atositosika ny ondry botry fa tsy fantatra izay hanao kambana : entimilaza fa tsy tokony hatao tsinontsinona ireo jerena toa kelikely na mavomavo fa mety ho izy ireny no hahavita zavatra. /Tery omby ririnina, ka atao izay tsy hankahia ny reniny ary tsy hahabotry ny zanany : enti-milaza fitsimbinana antokon'olona roa, izay samy mitady tombontsoaho azy avy, toy ny mpivarotra sy ny mpividy izany, ohatra, ka amin'ny fiadiam-barotra indrindra no ampiasaina io ohabolana io. Ahitsio
2 a.: Lakana lehibe izay misy voizina na entin'ny lay na mandeha amin'ny herin' ny milina. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel