Dikan'ny teny : dinika

Hampiditra dikany vaovao
1 a. : Resaka momba ny zavatra anankiray efa voafaritra mialoha : Misy dinika hataon'ny vaomiera momba izany. ~ Famakafakana mba hahalalana zavatra iray araka izay tena toetrany, lanjany, hasoany : Miki dinika lalina izany toe-javatra aposakao izany. - t.i.f. : Dinihina, voadinika 1 mandinika, fandinika, mpandinika / andinihana, fandinihana / mahadinika / dinidinika. Ahitsio
2 a. : Fitsakoana fanindroany ataon'ny biby sasantsasany, toy ny omby, mba hanorotoroany izay nohaniny maimaika tany an-tsaha. - t.i.f. : Dinihina, voadinika / mandinika, fandinika,mpandinika / andinihana, fandinihana / mahadinika. Ahitsio
3 a. : Fahakelezana, faharotsadrotsahana. - t.i.f. : Madinika, hadinika, dinidinika. Ahitsio
4 (diha) mt.ih. misy tsofoka in : Voadika, nodikaina : Nodinikao ny lalàna ka ho voasazy ianao, Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel