Dikan'ny teny : ebo

Hampiditra dikany vaovao
1 Eboebo a. sady p.t. : Re-, hareha, rehaka, hakevohana, fisehoana ho mahay na ambony na manankarena noho ny hafa ka manambony tena noho izany; be rehaka, kevoka : Be ebo koa izany raha dlona! / Tsy tiako iny tovolahy iny fa ebo lahy loatra. - t.i.f. : Mieboebo, fieboebo, mpieboebo i ieboeboana, fieboeboana. ΒΆ M.h, : Eboebo, rehareha, edinedina, edikedika, ajokajoka, sehaseha, hakevohana. Be ebo, be beso, be vava, be rehaka, kasikasy, tia dera, tehoderaina, mampilahendrena, tia doka, doradora, lasanko vavany, tsy maty am-bavany, matavy an-delany, akoholahy fahavaratra, miajokajoka, mianjonanjona, mihambohambo, miehakehaka, mibohaka, miangiangy, midohaka, midohadoha, midokadoka, midihindihina, miadonadona, miadokadoka, mihadrahadra, miedinedina, miedikedika, mie taketaka, mideronderona, mirehaka, mirehareha, mibohy, miaingitraingitra, midehadeha, misehaseha, mitehateha, miaingiaingy, misandratsandratra, misavoamboana, mievotrevotra, mitehintehina, miiaiiay. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel