Dikan'ny teny : entana

Hampiditra dikany vaovao
1 a. : Zavatra entina amin'ny tanna : Mitondra entana mavesatra izy fa ampio. ? Ireo zavatra tsy misaraka amin' ny tena raha mivahiny na mifindra transi (akanjo, firakofana, fanaka...) : Aza hadinoina ny entanareo rehefa mivoaka ny fiaran-dalamby. ? Izay amidy ao ampivarotana (matetika anefa amin'ity hevitra ity, ampiana ny teny hoe Varotra): Aza kasikasihina na entako, ny entam-barotro, raha tsy hividy ianao. ? H. o. : Ohana miankina amin' ny tena ka velomina sy iadidiana : Entana ho azy tokoa ireo iray tam-po amin'ny vadiny mipetraka ao aminy. ¶ M.h. : Loloha. ? Ny faty entina halevina lavitra : Napetraka tao an'efitra madio ny entana raha vao tonga. ? Fehezan-javatra atao indray mi-tondra : Kitay tala entana (atao koa hoe anentana). - t.i.f. : Entanina, voaentana / manentana, fanentana, mpanentana / anentanana, fanentanana / mientana, fientana, mpientana / ientanana, fientanana. - F,-p.: Anentana: am-pehezana: Ataovy anentany dimy ireo mololo ireo, / Manao entan'olo-malaina (na entan'ny malaina) • enti-milaza olona mitondra entana maro indray mandeha mba tsy hiverimberenany, ka misy simba na vaky ireo entana ireo. / Manentan-tay ritra : (a.b.t. : mibdta vary na laoka ao am-bilany mbola tsy masaka na ritra) : manao zavatra maimaika. / Mitondra entana My voafehy : manao zavatra am-pirotorotoana, tsy ampitandremana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel