Dikan'ny teny : fady

Hampiditra dikany vaovao
1 a. : Zavatra voararan' ny fomban-dRazana na ny Razana mihitsY tsy hatao na hohanina na hokasihina na hodiavina : Fadin'ny foko sasany ny kisoa. / Tsy azo anaovan-javatra na voarara tsy ho azo anaovan-javatra : Andro fady ny alatsinainy hoy ireo mpinomino foana. 1 Zavatra tsY fanaom-bahoa-ka na tsy fanao am-pahibe- maso : Tsarouy, anaka, fa fady ny mitsatsaingoka raha misy ray aman-dreny miteny. 1 Zavatra heverina ho tsy azon'ny tena atao, na noho ny finoana, na noho ny eritreritra aman-tsitrapo :Fady ahy, tompoko, ny ha-ka zauatr'olona tsy an-drariny. - t.i.f.: Fadina,voafady/mifady, fifady, mpifadyl ifadiana, fifadiana. ~ F.-p. : Andro fady : andro voatondron' ny mpisorontsamPY taloha ho andro masina fanandratana ny sampy ka tsy azo nanaovan-draharaha (ny alakamisY)- / Biby fady : biby noheverin'ny foko sasany ho razanY na nanao soa ny razany ka tsy azo novonoina. / Fady fotsy na fady mantsasoka : fady tapanY ihany, toy ny mifady kisoa nefa mihinana ny menany. / Ala fady : Vola omena ny mpandevina. / Aza fady : teny atao mba hialan-tstnY raha te hiangavy olona. / Aza mahafady : mitovy amin'ny aza fady ihany. / Fadia foura : teny ilazana olona tebahina aoka izany raha miteny azy. / Fadin-tany : tsy azo atao amin'ny tany lazaina. f Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel