Dikan'ny teny : faly

Hampiditra dikany vaovao
1 Mahatsiaro fiadanam-po sy saina noho ny fahatanteraham-paniriana na fahazoam-pahasoavana ka mampiseho izany etp ivelany , amin'ny tsikitsiky na hira na dihy. 1 t.t.f. : Falina, falifalina, afalY I mifaly, fifaly, mpifalY 1 ifaliana, fifalfana ) mahafalY 1 mamalifalY. ΒΆ M.h, : Faly, ravo, mirana, mariaka, sariaka, somariaka, mintsimintsy, feno haravoana, dibo-kafaliana, sija, finaritra, diavolana ny fo, diavolana ny kibo, andihizam-papelika ny fo, afa-po, foladrairay. Mifaly, mibitaka, mipi-kelika, mihoby, miarahaba tena, mitaba, mitavana, mientan-kafaliana, mifalihavanja, miriaria, miriadriaka, mihavatravatra, mampandihy ampinga, mitsipy sandry. - F,-p, : Faly ambonin-doza: faly alohan'ny fotoana ka tsy mbola azo antoka akory ny antony nifaliana dia nivadika ho alahelo sahady, / Faly malahelo : sady faly no malahelo. / Falim-po (fer, io teny io) faly ravina, faly volony : faly ambony ihany : faly mahita ny raviny noho ny fanantenana fa tsy maintsy misy voany ao ambadika, na mahita ny volony fa hoe arakara-tarehy voa-javatra. / Faly sahirana : faly mahazo zava-tsoa nefa sahirana amin'ny fampiasana na fikarakarana azy. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel