Dikan'ny teny : fanahy

Hampiditra dikany vaovao
1 (hahy) a : Fombaentina manahy na mamelatra zavatra amin'ny toerana ta- Fan laky andro mba ho maina : Tsy toy izao, retsy, no fanahy vary, ry Ketaka a! Ahitsio
2 (ahy) a. : Fomba entina manahy, ~ Zavatra ao amin'ny olombelona entiny manahy ny amin'ny tenany, mampahatsfaro tena azy : Very fanahy mbola velona ohatra ny valala voatango, • H, i. : Zavatra mampiavaka ny olona amin'ny biby : Ny fanahy no olona. / Saina mieritreritra, fahendrena : Ny manam-panahy mody voky fa ny adala manesika ihany, / Ilay zavatra tsy mety maty fitambaran'ny saina sy ny sitra-po ao amin'ny olombelona izay misaraka amin'ny vatana rehefa matY ny olona mba ho any amin'ny fiainana any an-koatra : Hivavaka ho an'ny fanahin'ny maty isika. / Toetra : Manao fanahin-jaza. / Fahasalamana : Nahakepoka ny fandrenesana an-dRakoto maty tampoka : olona tsara fanahy izao izy no niala tao an-trano. - F,-p, : Be fanahy : Manantsaina, lalin-tsaina. / Mahitsy fanahy : manana saina tsy miolakolaka, mandeha ampahatsorana. / Malemy fanahy : malemy paika, mora ifanarahana. / Manam-panahy : mahay mitondra tena. / Ratsy fanahy : masiaka; mana-na toetra ratsy, / Tsara fanahy : tsara fo; mahaY mitondra tena; salama tsara. / Very fanahy : very hevitra tsy mahita izay hatao. / Fanahy iniana : atao amin'ny nahimpo ~ M.h, : Iniana, nahy, satry. / Fanahim-boronkely : toetra misotisoty toy ny voronkely izay manao maloto ao amin' ny fihinanany ihany, / Fanahin'adala : fahamaivanan-doha. / Fanahin' andeuo : fanaovana tsirambina, toetra anrbany. / Fânahin jaza : toetra tsy mihevitra. / Fanahin-jazahoua : tsy fahalala-menatra, fahasahisahiandoatra. / Fanahin-kary : fahavetavetana. / Fanahy fito : toetra tsara mahay mandefitra, miara-mifaly amin'izay mifaly ary mfara malahelo amin'izay malahelo. ¶ Ohab. : Zaza fito tsy mahafehy trano, fanahy fito no mahafehy trano : Tsy ny hamaroan'ny zanaka no mety hitana ny mpivady tsy hisaraka, fa ny toetra amam-pa- 213 nahy tsara. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel