Dikan'ny teny : foy

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Famotsehana ny hao na ny parasy amin'ny hoho. i tif: Foizina / mifoy, fifoy, mpifoy f ifoizana, fifoizana 1 mahafoy, Ahitsio
2 mt. ih.: Omena an-tsitrapo: Foiko ho anao iny fa mahasoava. - t.i.f.: Afoy / mamoy, famoy, mpamoy 1 amoizana, famoizana / mahafoy. Ahitsio
3 a.: Enti-milaza ny voronkely mivoaka avy ao amin' ny akoran'atody nisy azy, afaka tao anaty akorany: Foy androany ny atodin'ikalamovo, 1 H.o.: Vaky, potsika (vay): Efa ho foy io vay io ka izany no nahatonga azy harary mafy. 1 H.o.: Mivoaka ny vava, mivoaka: Ny teny atody, hoy ny ohabolana, ka raha foy manana etatra. i Foizina, voafoy / mamoy, famoy, mpamoy / amoizana, famoizana / mifoy, fifoy, mpifoy / ifoizana, fifoizana 1 mahafoy. - F.-p.: Foy hehy: enti-milaza zazakely sambany mihomehy, na ny tolotra omen' izay nihomehezany voalohany, f Tsy foy: tiana tanteraka ka tsy atakalo na inona na inona. / Havan-tsy foy: hava-na sy sakaiza tiana fatratra./ Manome tsifoifoy: manome zavatra olona, nefa tsy mahafoy azy tanteraka ka mampamerina azy indray (hoy ny fitenin'ny ankizy hoe: manome tsifoifoy miteraka bibilava). * Ohab,: Ny mbola any ankorany indray no mananatra ny efa foy: tsy tokony ny zazavao indray no hanoro ny efa za-draharaha (mitovy amin'ny hoe ny mpitovo mananatra ny manana). Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel