Dikan'ny teny : foza

Hampiditra dikany vaovao
1 Fozafoza a.: Famoriporetana, familavilana. 1 Fozafozaina / mamozafoza, famozafoza, mpamozafoza / amozafozana, famozafozana / mahafozafoza. Ahitsio
2 (Ski) a.: Karan'adabo fihinam-boa. Ahitsio
3 a.: Biby folo tongotra naman'ny orana (jar. itg), izay manetoka sy manery mafy amin'ny tanabeny misy nifinifiny ny nofon'izay azony. - F.-p.: Foza malemy: entimilaza zazavavy kely mavozovozo, osa, saozanina. / Fozan-driaka: fozan-dranomasina. / Fozan'ony: fozandranomamy. / Fozalahy atakalo fozavavy: fombam-pitenenana fandre amin'ny kabary am-panambadiana ilazana fa toy ny nifanakalo zanaka ny ray aman-dreny roa tonta ka ilay zazalahy tonga isan' ny fianakavian-drazazavavy, ary ilay zazavavy tonga isan' ny fianakavian-drazazalahy. J Mihalo-poza (mihalotra foza): ny fomba fakana ny foza dia halorina na haronina any anaty lavany. / Maro fo-ana toa tanam-poza: enti-milaza olona maro izay tsy mahavita inona akory raha misy raharaha atao fa toa manelingelina indray aza izy ireo amin'ny hamaroany. * Ohab.: Kekerim-poza maimay, afatotr'olona manin-te hody: ilazana ny fahavoazan' izay tsy mba afaka hanao izay tiany. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel