Dikan'ny teny : gaga

1 p.t.: Mihetsi-tsaina amam-panahy eo anoloan'ny zavatra tsy fahita andavanandro na tsy nampoizina, amin' ny lafiny tsara na ratsy: Gaga anao aho. / Gaga ny nataonao aho na gaga amin'ny nataonao aho. / Gaga aho raha sahy nanao izany Rakoto. I t.i.f.: Migaga, figaga I igagana, figagàna 1 mahagaga I fahagagana 1 gagagaga. ¶ M.h.: Dagaga, dogaga, talanjona, tolagaga, tokaka, vaky vava, zendana, variana, sondriana, revo, renoka, kepoka, vakim-baratra, ilatsaham-baratra, gaina foana, kehana foana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel