Dikan'ny teny : ha

Hampiditra dikany vaovao
1 : Fanafohezana ny hoe Hatra izay atovona amin'ny anaran'ny faritra sasantsasany amin'ny tena mba handrefesana ny halalin'ny zavatra toy ny rano na lavaka: Hahelika: hatreo amin'ny helika. Ireto avy ireo teny misy ha entina mandrefy halalina, atomboka amin'ny marivo indrindra ka misondrotra hatrany: Hafaladia, ha_ hato-tongotra, hakibondranjo, halohalika, hamatope, hafotope, havaniana, hafoitra, havavafo, hahelika, hatenda, hasaoka, havava, hamaso, hahandrina. Ahitsio
2 tp.: Tenim-piontanana maneho: hatairana: Ha! marary hoe i dada?; fiaikena: Ha! marina tokoa lahy ny tanin' ilay Rangahy!; fandavana (tononina fohy): Ha, aza alana eo io sary io. Ahitsio
3 Tovona atao: a) eo alohan' ny p.t, milaza toetra mba hanaovana anarana milaza toetra ihany koa: Halava, hatsara; b) eo aloban'ny teny milaza isa sasantsasany (telo, efatra, dimy, enina, fito, va-Io, sivy, folo), mitovana ana, tuba hanaovana anarana milaza faharetain- potoana:Hateloana, hasiuiana; d) eo alohan'ny p.t. milaza toetra mitovana ina mba hanaovana mt. ih. mifamaly amin'nY mt. p. mitovona mana: Hatsaraina (manatsara), hafohezina (manafohy), Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel