Dikan'ny teny : hafa

Hampiditra dikany vaovao
1 s. mi na p, ml.: Tsy izy, tsy ny voalaza: Rakoto no namono ny mamba ka ny hafa no niravaka ny nifiny (s. ml). / Olon- kafa no nanao izany fa tsy izaho (p, ml). 1 p.t.: Tsy mitovy, tsy tahaka: Hafa ity satroka itq noho itsy. - t.i.f.: Mihafa. - F.-p.: Any an-kafa: tsy eo amin'ny toerana misy ny te-na. I Any an-kafa any (izay nahatonga ny hoe any an-kafà: enti-milaza toerana lavidavitra tsy eo akaiky. 1 Hafa fandry: tsy mitovy fatory na fomba fanao amin'ny maro; enti-milaza koa ireo tsy mankatü ny mpitondra na ny dina nataon'ny mpiray fileovana ka natao koa hoe mitsivalam-pandry izy ireny, / Hafa ray, hafa reny: entina milaza olona samy mananà ny ray sy ny reniny avy saingy miombon-dray sy miombon-dreny kosa. / Samy ha-fa: tsy misy iraisany, tsy mitovy (aoka hotsarovana fa ny hoe samihafa kosa dia isankarazana no heviny). 1 Tsy misy hafa: entina milaza zavatra roa mitovy tsara, kapo-ka iray. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel