Dikan'ny teny : haitraitra

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Toetra na fihetsika atao noho ny fiangolangolana, fitadiavana hamalifaly, fanaovana ny sitrapon'ny tena, fa tsy noho ny antony iray mafonja akory: Haitraitra ihany no nanaovany izany fa tsy misy antony. t f.: Haitrairina, ahaitraitra, voahaitraitra, mihaitraitra, fihaitraitra, mpihaitraitra / ihaitrairana, fihaitrairana / mahahaitraitra. ΒΆ M.h.: Aingitraingitra, angotingoty, angesongeso, hantahanta, hanta ratsy, tsingolavaitra, sarin-ditra, angentsangentsana, angolangola, siasia, sitrapo, arana, lalampo, vaibaitra, sotro rano antanam-bazo. - F,-p.: Be haitraitra: be sitrapo, mpanao ny danin'ny kibo. * Ohab.: Haitraitra an'olombelona, fa ny didy an'Andriamanitra: fikasana no an'olombelona fa Andriamanitra no mandidy izay zavatra ho tonga Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel