Dikan'ny teny : hala

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Tay fitiavana: Tsy tokony hasiana tombo sy hala ny ray aman-dreny. ~ mt, ih. ft.: 1) Tay tiana, tsy tiana mainty, tsy tian-kojerena: Halako ny olona ratsy fanahy; 2) Tiana be loatra: Halam- baratra ny hazo avo, - t.i.f.: Ankahalaina / mankahala, fankahala, mpankahala / ankahalana, fankahalana 1 mifankahala / halahala. ΒΆ M.h.: Tsy tia mainty, tsy tia veroka, manao hala volo, manao halako bika tsy tiako tarehy. - Hala- mahatratra: ny tsy tiana no mahavonjy sy manao soa fa ilay nankamamiana tsy nihevitra akory ny tena. f Halan-doto: ny fotsy sy ny madio no lazaina amin' izany satria ireo no mora voapentina sy simban'ny loto. / Halan'ny uitsika ny siramamy: toy ny miova hevitra ho fitiavana eto ny teny hoe hala satria ny fitiavan'ny vitsika ny siramamy no lazaina, saingy ny nalehan'ny sain'ny Malagasy raha niteny io !zy dia azo lazaina fa ny fitiavan' ny vitsika hanimba ny siramamy na handevona azy (toy izany koa, ohatra, ny boa: Halam-baratra !ty toerana i-te). / Manao ny halako bika tsy tiako tarehy: entina milaza fiangarana noho ny tsy fitiavana, ka raha vao ilay tsy tiana, dia lazaina fa ratsy sy diso na dia tsy izany akory aza. / Manao halako Ikoto fa tian'Ikala: hasosorana amin' ny olona iray noho izy tian' ny hafa / Tsy misy tombo sy hala: entina milaza fitiavana na fitondrana mitovy ny havana sy ny zanaka na ny ray sy ny reny niteraka. / Volo hala:lolom-po, otri-po. f Manao vola hala: manao andolom-po na otri-po. * Ohab,: Hazo ciao halan-drivotra: izay amin'ny toerana ambony maro mpitsiriritra sy be fahavalo. Ahitsio
2 a: Karazam-bibikely izay valo ny tongony, efatra andaniny avy, ary ny vatany mizara roa: ny tratrany izay miraikitra amin'ny lohany, ary ny kibony boribory lehibebe; mamoaka tsiranorano io kibony io, izay tonga kofehy manify rehefa tratran' ny rivotra, atao hoe landinkala. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel