Dikan'ny teny : hambo

Hampiditra dikany vaovao
1 a: Fiheverana ny tena ho ambony; firehana ho tsy mitovy amin'ny hafa amin' ny zavatra rehetra; filazana ho mahay zavatra tsy hay; fandokafan-tena tafahoatra: Olona be hambo Rakoto ka tsy hanaiky ny hifona aminao. - t.i.f,: hamboina, voahambo 1 mihambo, fihambo, mpihambo 1 ihamboana, fihamboana 1 mahahambo 1 hambohambo. - F,-p.: Be hambo: be rehareha ary tsy mety handefitra; mandoka tena tafahoatra sy milaza ho manana sy mahay izao sy izao. f Hambom-po: toetra feno hamboniana tsy mety hanao zavatra mety hampietry ny voninahitry ny tena na hahazoana henatra. / Manan-kambo: mitandro ny haja ananana sy ny voninahitra; tsy manaiky hivarilavo na hanao izay tsy mendrika hanimba ny hajan' ny tena. / Manao an-kambo: manao mosalahy sy kitoatoa ka tsy mihevitra loatra izay atao fa manao baranahiny. f Matin-kambo: be avona diso fatra izay tonga mitera-doza ary manimba ny tena na ny laza soan'ny tena. * Fiten.: Aza atao mihambo manana anao aho: teny ataon'ny olona maniry fanampiana amin'ny hafa, ka matoky tanteraka ilay olona itenenany izany izy. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel