Dikan'ny teny : hanina

Hampiditra dikany vaovao
1 a: Sakafo, nahandro: Tsy mbola azo omena hanina ity marary ? mt.ih. (hano): Tsakoina dia atelina: Hano ny uarinao, • H,o.: Lanina: Nohanin'itay karilahy iny fotsiny ny uolako, - F,-p,: Hani-masaka: ilazana ireo sakafo efa masaka amidy eny amin'ny mpivarotsakafo eny an-tsena. / Hanimainty na haninkotrana: entina milaza ireo hanina toy ny mangahazo, vomanga, saonjo, ans. ivelan'ny vary izay foto-tsakafo. / Hanimbokatra: ireo zava-nambolena ka aroso na omena ny vahiny. f Hanim-pito loha: sakafom-panasana misy karazany maro. f Hanim-py: sakafo matsiro betsaka. f Hanina amam-bolony: raisina an-tendrony, izany hoe tsy fakafakaina sy dinihina na tsars na ratsy alohan'ny handraisana azy. f Hanin-jaraimora lany: enti-milaza fa na dia maro toy inona aza ny sakafo, rehefa omena ny anjarany avy ny asaina, lany vetivety; matetika dia ampiarahina amin'ny hoe "encan-jarai-mora zaka". / Hanin-kanina: vodiondrim-barotra izay lany maina raha mitsoa-Pahana tsy hividy indray ilay nanome. f Hanin-tian-jaza: ilazana ny tovovavy isisihan' ny tovolahy halaina ho vady ihany na dia efa andrarana azy aza./Hanin-tonta: ilazana ny sakafo atao jono hamandrihana haza. fHano mahavoky: teny atao amin'ireo olona asaina na tolorana sakafo noho izy efa voky na hita fa kely tsy ampy mizarazara ny omena azy ka tsofina rano. f Izay tsy milalao sain-kanina: amin'ny hariva no filalaovan' ny ankizy taloha, ka raha tsy mivoaka eo ilay ankizy fa miandry ny sakafo ho mass-ka, dia lazain'ny namany fa efa any amin'ny sakafo ny sainy. / Manao mamy hanina an-tanana: tsy mizara ny sakafo eo aminy fa tia tena. / Takalom-patsa uidim-pihinanana: entina milaza ny setrin' ny zavatra omena olona; nanaovan'ny hafa ka tsy maintsy manao aminy koa: fifankaleovana no tena heviny. f Tenda an-kanina: hantsakafo, tsy mifidy harapaka ary mambosibosika toy ny tsy ho enina. f Tolo-kanina: fanomezana zava-pihinana vehivavy bevohoka (araka ny finoan'ny Malagasy, rehefa teraka ilay vehivavy bevohoka, dia mety hitovy amin'ilay nanome zava-pihinana azy ny tarehin'ny zaza; koa araks izany, matetika koa ilay zaza dia atao hoe "tolokanin-dRanona"). / Tsy hanin-kahauoky fa voninahitra ifanomezana: enti-milaza fanoloran-javatra ny hafa izay mariky ny fanai ana sy ny fihavanana fotsiny, ¶ M.h.: Sakafo, nahandro, fahana, kabaka, tsakotsako, tsakitsaky. Misy fifandraisany: Hanim-pito loha, fihinanam-be, fanasana, filerana, fibobohana, vatsy, odilolo, odiam-bavafo, vonjy fo, fo tsy aritra, sakafo ambany foitra, sakafo maivana, sakafo sikina, sakafom-borondolo, sakafon-tsorohitra, angaredona, tsindrin-tsakafo, halemana, fialemana.— Mihinana: homana, mitelina, manao vakim-borona, manendry, mandrapaka, mitsingintsingina, mangeboka, mitomboka, mipaka, mamahan-tena, mijao, mamango, manesika, miletra, mibibaka, mandrepoka, mambosika, mikesokesoka, mitsamontsamona, mambosibosika, mimontsina, miviravira, mifotafota, mianjady, misatrasatra, managorodana, manoranorana, manao voky, manao tranga, manao rapa-dango, manao teli-moka, manao indraim-bava, manao tombok'orona, manao tombokitsatsy, manao sesimontotra, miosanosana. Ahitsio
2 a.: Fahatsiarovana arahin'alahelo, embona: Ny hanina ny havana any lavitra ~ t.i.f.: Haninina I manina / mahamanina. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel