Dikan'ny teny : hariva

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Ny tapak'andro ihilanan'ny masoandro miankandrefana: Amin'ny dimy hariva. / Ny hariva no fahanteran'ny andro. 1 p.t.: Folaka:Hariva ny andro. e p.mt.: Amin'ny hariva, tratra aoriana: Tonga hariva ianareo izany. / Hariva izahay fa aoka handeha. • mt. ih.: Tazonina ela hatramin'ny hariva: Harivan'ny resakareo eto lahy izahay. 1 Harivaina 1 manariva, fanariva, mpanariva 1 anarivana, fanarivana 1 mahahariva 1 harivariva 1 harivana, fanarivana f takariva. - F.-p.: Be hariva: fanaovana tontakely, fandrobana. f Manao be hariva: manao rodobe handroba. / Harivariva an-tanin'olona: ilazana ireo tratra hariva na singany irery any am-pivahiniana, ka manembona ny any aminy.l Maraintsy hariva: hita mandrakariva ary isan'andro. / Mitehin-ko hariva ny andro: enti-milaza fa madiva ho hariva. * Ohab.: Adin'ankizy: miady maraina, tsara hariva: entina milaza ny olona miady tsy mba manana otri-po na fankahalana maharitra fa mora mifankahazo na mihavana indray. / Volom-bavan' antitra ka hariva vao mena fify: enti-manambara ny fahombiazan'ny efa zokinjokiny amin'ny lazon'ady feno fikirizana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel