Dikan'ny teny : harona

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Fakana na fisavana zavatra ao amin'ny miafina; fitondrana zavatra hohanina amin'ny tanana any am-bava; fanatsofohana ny tanana ao anaty zavatra. i Haronina, aharona, voaharona 1 mangarona, fangarona, mpangarona 1 angaronana, fangaronana 1 mahaharona 1 harongarona, Ahitsio
2 a,: Zavatra norarina hatao fitoeran-javatra. - F.-p.: Haron-doa-body: ilazana n? harona loaka ny fanambaniny ka manary izay rehetra atao ao anatiny, ka ny hoe mitahiry an-karondoa-body dia mahery manangona nefa verivery na lanilany foana izay voangona. / Haron-tabebaka: harona fohy vatana fa be vava ka tsy mahalany firy. / Harom-pito sosona: harona kely sy lehibe mifanarona hatrany, ho firaketana izay zavatra lalain' ny tompony. * 0!tab.: Lasan-ko vavany toa haron-tabebaka: ilazana ny olona be vava na miseho ho zavatra ivelany fotsinY, nefa tsy misy lanjany manahoana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel