Dikan'ny teny : havokavoka

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Taova anankiroa, havia sy havanana, ao anaty tratra, mifono ao anaty kitapo roa sosona atao hoe plevra, ka fiafaran'ny fitaovam-piaina. (Entin'ny traokabe, izay mizarazara ho zana-traoka eo am-pidirana amin'ny havokavoka, ny rivotra ka miafara any amin'ny kitapon-drivotra kely an'analinaliny; ao anatin'ireo kitapon-drivotra kely ireo no mifandray ny mpanelira madinika sy ny mpamerindra madiniky ny havokavoka, ka ny ra mena mainty entin'irerY voalohany, mivesatra gaza karbonika, dia miova ho me-na midorehitra noho ny oksizenan'ny rivotra, ka dia entin'iretsy faharoa kosa indray any amin'ny fo). Ahitsio
2 a.: Kapoka mandrivorivo, fikapohana na famelezana mafy tsy misy indrafo. - t.i.f.: Havokavohana, voahavokavoka 1 manavokavoka, fanavokavoka, mpanavokavoka 1 anavokavohana, fanavokavohana 1 mahahavokavoka. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel