Dikan'ny teny : hehy

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Tsiky mampiseho nify noho ny hafaliana, arahim-peo mafy tapatapaka, na milcarantsana. - F.-p.: Farahehy: fihomehezana mafy somary lavareny, ka matetika entin'ny tovovavy na ny vehivavy lehibe hanesoana sy hanarabiana ny hafa. / Foy hehy: entina milaza ny zazakely izay mikakakaka sy mitokelaka voalohany. 1 Hehy be: hehy miaraka ataon'ny maro ka mandrakariva maneso noho ny toetra hitany. / Hehy ra: hehy somary mangasihasy fa vaky lainga voatsindrona amin'ny tena marina ka mody mitsiky hanafenana izany. I Hehy ranovaky: fihomehezana rodobe ary indray mien-fana avokoa. / Hehy ualaka: fihomehezana toa mampiseho tsy firaikana haniratsirana na hampisehoana tsy fitokiana an'ilay miresaka amin'ny tena. 1 Hehy voraka: fihomehezana tsy araka ny fo fa ataotao fotsiny mba hanambarana fa faly, na dia tsy izany loatraaza. 1Lokilokin'ny hehy: mihomehy an-kafaliana sy amim-pitiavana ary misesy. I Toran'ny hehy: mihomehy mitohitohy ka mlla ho sempotra eo am-pihomehezana. 1 Tsipaky ny hehy: mihomehy kely aloha vao misesy ka efa toy ny hanevika vao miato na mamonjy mipetraka. Ahitsio
2 a.: Fihohazana ny tany hiparitaka, na fanelezana voan-javatra efa voangona. - t.i.f.: Hehezina, ahehy, voahehy / mihehy, fihehy, mpihehy 1 ihehezana, fihehezana 1 mahahehy. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel