Dikan'ny teny : i

Hampiditra dikany vaovao
1 Tarehintsoratra fahavalo ary zanatsoratra fahatelo amin' ny abidy malagasy. Rafla mamaran-teny ny i dia atao y: Tana. Ny amin'ny feony kosa, dia izao no tsara homarihina: raha ialohan'ny a ny i dia atao indray mitonona ny a sy ny i: aina (ai - na) afatsy raha tovona ny a eo aloha, ka amin'izay kosa dia mitonona misaraka izy roa: ailika (a - i - lika). Ahitsio
2 pn a: Fanao a) eo alohan'ny anaran-tsamirery milaza olona ka tsy manomboka amin' ny Ra na Andrian: Ikoto / Ny satrok'i Paoly, b) eo alohan'ny anaran-tsamirery milaza tany na tanàna na renirano na farihy tsy misy An na Am: Ihosy l Ny tanànan'i Betafo. d) eo alohan'ny anarana iombonana sasantsasany misy fifandraisana arapihavanana: i dada, i zandry. • Hita amin'ny fiforonan'ny teny sasantsasany, toy ny ilay, ikala, ity, izato, iny, izaho, izahay, izy, ise, isika, ianareo, ivelany, ivoho, imaso, ilalana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel