Dikan'ny teny : ikala

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Teny entina milaza zazavavy ka: 1) tononina mialoha ny anarany: Tsy hita ny nalehan'Ikala Soa, nefa tadiavin-dreniny izy; 2) atao eo alohana mpamaritra anarana mamingavinga ka entina maneso na manompa: Ikala adala, Ikala tsy mahita ny viliany iny! - F.-p.: Ikala ratsy: entina milaza zazavavy fetsifetsy na koa donendrinendrina tsy misy hitiavana azy. / Ikala tokana: zanaka vavy tsy misy fanampiny toy ny hoe vavy tokana. / /kola trotraka: ilazana vehivavy heverina ho tsinontsinona tsy misy antony noho ny haratsiany. * Ohab.: Ikala adala ambody tenona, sady tsy hitohy ny maito no tsy hanala kambana: ilazana olona eo ampototry ny raharaha, nefa tsy manao na inona na inona fa dia mipetra-potsiny eo. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel