Dikan'ny teny : ise

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Ny atao hoe isan-javatra na olona dia ny teny milaza na firy na firy ireo zavatra na olona ireo: Dimy no isan'ny rantsantanana an'ila. ~ Teny enti-milaza ny hoe "iray" eo am-panombohana manisa:lsa, roa, telo... - t.i.f.: Isaina, voaisa / manisa, fanisa, mpanisa / anisana, fanisana / mif anisa / misa, fiisa, mpiisa / isàna, fisàna / mahaisa / isaisa I isany. - F.-p.: Isa fa tsy roa na safatsiroa: tokana tsy manantsahala (teny entina mandoka olona na zavatra maningana eo amin'ny toetra na ny hatsaran-tarehy). / Isa land y: isa atao tsiefatrefatra hatrany. / Isa lava: isa tsy asiana avakavaka fa atao mitovy amin'ny fanisana na ny kely na ny lehibe. / Isam-batan' olona: isan'olona, ny olona tsirairay tsy misy avahana. / Isam-bava: vary na tanimbary tsinjaraina isaky ny vava mihinana. /Isam-bolana: (Jer. Fotoana). / Isam-pangady: (Jer. io teny io). / Isan-dahy: (hetra): vola aloan'ny vatandehilahy tsirairay avy ho an' ny fanjakana. / Isan-kafiriana: fanontaniana ahalalana ny isan'ny andro manelanelana dia miverina indray ilay fotoana. / Isan-ketra: vola aloa amin'ny raharahampanompoana araka izay tany nomena hovolena. Ilsan-jato: 1) enti-milaza ireo antokon' ny mponina manao fanompoana izay mitsinjarazara ho zato isaky ny iray tarika; 2) ampahany raha atao ara-keviny amin'ny zato: Ny valopolo isan-jato amin'ny Malagasy dia mpamboly. / Isantanany: anaran'ny nofon-kena amin'ny sorony manaraka ny tehezany. Ahitsio
2 s.o.: Misolo ny olona itenenana raha tokana, ifanaovan'ny samy lehilahy na ny samy vehivavy mifankazatra, na ny lehilahy sy vehivavy mifankatia; fanao teny lazaina ny "ise" fa raha atao teny fameno dia ampialohana ny "an": Ise ve no nilaza izanyP / Tonga namangy an'ise izahay fa tsy tao an-trano ise. - t.i.f.: Misese, fiseae, mpisese / iseseavana, fiseseavana / mahaise. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel