Dikan'ny teny : jejy

Hampiditra dikany vaovao
1 (souaheti dzedzy) a.: Zavamaneno misy tadiny roa ka hatramin'ny enina, kitihina mitovitovy amin'ny gitara, henjanin'ny tohan-kazo vita sokitra, ary voatavo siny izay mifatotra eo akaikin'ny tendrony ilany no manamafy ny feony. Mikarantsana somary kentsona ny feon'ny jejy — tsy itovizany amin' ireo zavamaneno misy tadiny; aankina amin'ny traira na ny kibo ilay voatavo siny fanamafisam-peo no mahatonga izay feo anankiroa samy hafa izay; miova araka ny faritany ny anarany: Jejo na zezo (Antandroy ary ny faritany atsimo rehetra), Jenjy (Betsimisaraka sy farita ny atsinanana), Lokanga voatavo na jejy voatavo (Imerina sy Betsileo). 1 t. t f.: Mijejijejy, fijejijejy. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel