Dikan'ny teny : kabary

Hampiditra dikany vaovao
1 a: Teny lavalava voalahatra sy voarindra atao eo imason'ny olona tafavory: Fatratra izay kabary am-panambadiana tamin'ny fanambadian'ny zanak'anabaviko izay. 1 Fanambarana teny midfna: Efa nandalo teo ue i-1ay mpiantso kabary? • Levilevy, faniniana, anatra na teny lavareny: Aza itondranao kabary vao maraina aty izahay. 1 Fiampangana na fitoriana ataon'olona amin'ny tena eo amin'ny fitsarana, ady amin'ny fitsarana: Moa dia natao ho very va re aho ka narianao tamin-kabary? 1 Vaovao: Inona no kabarinao? (fandre indrindra amin' ny fitenim-paritany). 6 t,if.: Kabarina, akabary, voakabary 1 mikabary, fikabary, mpikabary I ikabariana, fikabariana 1 mahakabary 1 kabaribary. - F-p.: Atao an-kabary: raharaha ifandinihana lazaina vory vahoaka. / Azon-kabary: enti-milaza olona ianjeran'ny fitoriana na fiampangan'ny lehibe. / Be kabary: ilazana ireo mimenomenondava sy mitaraindraina amin' itsy sy iroa, ka manao fanakianana isan'andro; mpanao resaka lava be mandany fotoana. J Kabary ambony vavahady: Fivavavavana foana amin'ny teny mirehidrehitra. / Kabarim-behivauy: ady hevitra sy fifandirana tsy misy farany. / Kabari-miaramila: teny na didy omena ny miaramila. / Kabarin-tsahona: fimenomenonana befahatany sady tsy misy fiafarany. /Kabary tsara mitsangana, kabary tsara lahatra: filazana am-bava feno hakingana sy hafetsena nef a matetika lainga sy fitaka fotsiny. / Kabary tsy efa: raharaha tsy misy fiafarany, mitarozaka hatrany hatrany, — raharaha manahirana tsy vita mora foana. I Kabary tsy mahavery olona, na anelakela-trano: raharaha ifandaminana an-trano fa tsy entina amin'ny fitsarana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel