Dikan'ny teny : kalo

Hampiditra dikany vaovao
1 a: Hira madinika fanao raha malahelohelo, mahatsiaro ny ela sy mitantara ny lasa. - t.i.f,: Kaloina, voakalo, kinalo J mikalo, fikalo, mpikalo I ikaloana, fikaloana / mahakalo J kalokalo. - F-p.: Kalo madinika: hira fohifohy fanaon'ny olona manimanina. J Kaki sisika: ilazana ny angesongeson'ny mpihira manampy angolangola eny anelanelan'ny fitohizan'ny hira eny na eny afovoan'ny feon-kira * Fiten.: Kalon'antitra ka tany no farany: ilazana ny hira fanaon'ny antitra mitanisanisa ny fotoan-dasa ka mahatonga azy hanembonembona ary mazàna miafara amin'ny tomany. * Ohab.: Rafotsibe mampiady kalo, ka ny antitra antitra ihany: enti-milaza ny fahaizana ananan'ireo efa ela nanaovan-javatra miolotra indrindra amin'ireo vao zazavao. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel