Dikan'ny teny : karama

Hampiditra dikany vaovao
1 a: Vola amena ny olona miasa ho an'ny tena: A-riary zato no karama nomeko azy niasa ny tanimbariko. ? Vidin'ny asa atao: Dimy ariuo no karamany isam-bolana. - t.i.f.: Karamaina, akarama, voakarama f manakarama, fanakarama, mpanakarama / manarama, fanarama, mpanarama / anakaramana, fanakaramana / anaramana, fanaramana I mikarama, fikarama, mpikarama f ikaramana, fikaramana / mahakarama I karanrarama. ? F,-p,: Karamam-boto: raharaha heverina ho ambany / Karama an-tselika: raharaha tsy ifotorana fa raharaha madinidinika hita ats? sy are. / Karaman-daikona ka any andanitra no raisina: raharaha tsy mba andraisam-bola fa a-tao an-tsitrapo. / Karama tapaka: enti-milaza raharaha izay toy ny iantohan'ilay mpiasa fa mandray vita ilaY mpampiasa. / Karama varimasaka: karama tsy mifanentana amin'ilay asa atao fa dia toa vidin'ny vary na sakafo Raina eo am-panaovana ny a-sa fotsiny. / Manimba karama: enti-milaza olona mety manaiky karama kely noho ny fanao ka tonga mampidina ny karaman'ny maro. ΒΆ M.h.: Tamby, vava vola, vidin-katsembohana, vidin' aina, valin-kasasarana, takalom-patsa vidim-pihinanana, fihinanana, sakafo, fivelomana, kapoaka, vidin-jiro, hasin-tanana, falim-po, fankasitrahana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel