Dikan'ny teny : kivy

Hampiditra dikany vaovao
1 p.t: Tsy manana herimpo na herin-tsaina hanao zavatra fa ketraka, rera-po: Kivy ny miaramila nahare ilay vaovao nentinao. - t.i.f.: Kivina, akivy, voakivy, kinivy 1 manakivy, fanakivy, mpanakivy I anakiviana, fanakiviana 1 mahakivy 1 kivikivy 1 fahakiviana. - F-p.: Kiuy ratsy: kivy izaitsizy. 1 Kivy ambony ihany: mbola tsy manao akory dia kivy. ΒΆ M.h.: Ketraka, reraka, maimolotra, resy, rera-po, reratsaina, soretra, soredretra, mikely soroka, migarera, mivareraka, mibareraka elatra, tapaka elatra, mirefarefa lamba, mitakemotra, miverina ilalana, mikororosy fahana, mivalaketraka, miraviravy tanana, mandevin-tsotrobe, mivarilavo, mamoy fo, manary toky. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel