Dikan'ny teny : kodia

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Zavatra azo akorisa ka mety mivadibadika: Fiiokan'ny ankizy ny kodia kely. / Kodia vato no anaran'ny vato atao amin'ny vauahadim-bohitra • Kodiarana. • Fivarinana amin'ny ara-tsaina na ara-piainana. - t.i.f : Kodiavana, akodia, voakodia, tafakodia J manakodia, fanakodia, mpanakodia / anakodiavana, fanakodiavana / mikodia, fikodia, mpikodia / ikodiavana, fikodiavana I mahakodia I kodiadia / mikodiadia. - F.-p.: Kodia vato: hidimbavahadin'ny tanàna, izay akodia no fanidiana azy rehefa amin'ny alina na raha tonga handroba ny fahavalo. f Manao kodia uery tsihy: manao mosalahy mamery tena ¶ M.h.: Mitono tena, manao vy very, maneha-doza, manao anjolofo, mankaha-doza, manaboamaty, mananty voina, manao mosalahy. f Atao kodia very tsihy: enti-milaza olon a iniana ariana mba h ahazoana izay tadiavina. JMikodia ohatra ny omby mandry: mandry na matory fotsiny amin'izao tsy mirakotra. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel