Dikan'ny teny : kotra

Hampiditra dikany vaovao
1 a : Tany fambolena lany tsiro noho ny tsy fiovaovan' ny voly natao teo aminy. / p.t: Ela nanaovana: Tany efa kotra i t. f. f.: Kotraina / manakotra, fanakotra, mpanakotra 1 anakotranana, fanakotranana 1 mifanakotra 1 mahakotra 1 kotrakotra. Ahitsio
2 a.: Kitapo misy entana fentina mandeha (mazàna no hoditra ny kotra, nefa azo a naovana kotra koa rehefa mety ho zavatra mafimafy fanao kitapo). * F.-p.: Ko-drazana; kotran' ny razana: a) zavatramaintimolaly avy amin'ny razana; b) harena tsy navelan'ny razana hozaraina (lovabe); d) tombontsoa fahazon'ny razana teo aloha ka lovan'ny taranaka mifandimby, toy ny "tsy hani-maty momba", "tsy maty manota"... Ahitsio
3 a: Volotsangana vaventy toy ny valiha no mitambatra maromaro mihantona rehefa nolavahana, asiana hazo tsivalana toy ny fefiny eo antenatenany ary misy tady lava mifatotra eo amin'ny fihantonany mba hahatonga ire o volotsangana hikotrana rehefa sintonina ilay tady: mifampiankapoka amin'ilay tsivalan-kazo ny vatany ka mamoaka feo mipoapoaka. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel