Dikan'ny teny : laitra

Hampiditra dikany vaovao
1 nit ih.; ft.: Azo kaikerina: Tsy laitrako io taolana io fa mafy loatra ? Azon-javatra asiana, idirana: Mahagaga fa laitran'ny rano ny vato rehefa ela ny ela. 1 Azo leferina, zakaina: Tsy laitrako intsony ny ataon'ny mpampiasa ahy. ΒΆ M.h,: Lefitra, zaka, aritra, tanty, toha. ? Azo (raha misy tanin' ny iharana hafa ao aoriana) (...): Tsy laitra tsoahana io fanbsika io fa mafy loatra. 1 tif:: Voalaitra / mandaitra, fandaitra, mpandaitra / andairana, fandairana / mahalaitra, fahalaitra, mpahalaitra. * F.-p.: Tsy laitra: mafy, tsy azo toherina, tsy zaka, tsy telina: Tsy laitra ny ngidin' ny fahoriana / Tsy laitra andrahoina: tsy mety malemy raha andrahoina fa mafy foana / Tsy laitra anarina, rarana, tenenina, toroana: entimilaza olona tsy miraharaha izay teny fananarana atao aminy. J Tsy laitran'ny mamy: enti-milaza olona tsy mety matavy na mahazo ai-na na dia mahery mihinana aza. I Maka am-pandairana: maka tsy an-kijanona, tsy ankiato. * Ohab.: Tsy misy mangidy ohatra ny sakay fa rehefa teny ierana laitra ihany: Na inona na inona zava-tsarotra, rehe fa ifanarahana tonga mora. J Tsy misy mafy tsy laitran'ny zoto: mora sy efa izay zavatra atao amin-joto, na dia izay sarotra indrindra az a. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel