Dikan'ny teny : lakana

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Fitaovana hazo na vy entina mitety na mande-ha ambony rano, mita rano; matetika ny lakana dia vita amin'ny vatan-kazo lehibebe noloahana izay manjary mai-vans ary mitsinkafona tsy milentika, - t.i.f: Lakanina, voalakana / mandakana, fandakana, mpandakana 1 andakanana, fandakanana / mahalakana. - F.-p.: Lakan-jila na Lakanjejo: lakana maivana mora misosa raha vao voizina. / Lakan-drafitra: lakana vita amin'ny hazo maro natambatambatra fa tsy amin'ny hazo iray noloahana. J Lakampiara: lakana maro natambatra. / Lakam-bato: vato noloahana miendri-dakana na natao handrobohana na hanofanana ny vy. J Lakan-damosina: ilay lempona manaraka ny hazon-damosina atao hoe lakan-drano. J Lakan-drano: tatatra natao handehanan'ny rano. / Lakan-jilo: lakana mitsilotsilo ny tendrony roa, izany hoe ny lohany sy ny vodiny. / Saran-dakana: ny vola aloa amin'ny mpampita lakana. / Laka-mody: ny lakana efa'ndeha hiverina eny amin'ny morona ilany, ka hararaotina mba ho kely ny saran-dakana. / Tehin-dakana: ilay hazo lava-lava itehenana mba hampandeha ny lakana./Lakan'aina: lakan-kely famonjena ny mpandeha raha misy loza mihatra amin'ny sambo andehanana. * Ohab.: Mangetaheta ambony lakana: mihafihafy eo ampovoan'izay rehetra ilaina. ΒΆ M.h.: Mosarena ambody sompitra. J Mandeha tsy voizina toa lakan-fila: entimilaza olona misosososo miditra na manao zavatra nefa tsy ampandrosoina na asaina manao ilay zavatra akory. J Mampitaha lakana sy zahatra: mampitaha zavatra roa izay hita avy hatrany fa mifanalavitra na ny bikany na ny tombany. / Mitsipa-doha laka-nitana: tsy mahay mankasitraka, na mamaly ratsy ny soa ataon'olona ny tena. I Tongotra mby an-dakana ka tsy miverina intsony: zavatra efa notinapaka ary efa vita daholo ny fiomanana ny amin'izany ka tsy azo ahemotra intsony. I Ny hazo no vanon-ko lakana; ny tany naniriany no tsara: ny zavatra no vanona dia ny any amin'ny fototra no tsara. / Lakan-drafitra very fivoy: enti-milaza olona tsy manana na inona na inona hianteherana intsony hamonjena tena. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel