Dikan'ny teny : lamba

Hampiditra dikany vaovao
1 a: Zavatra anaovana ny akanjo, vita arnin'ny kiran-javamaniry, toy ny rongony, landihazo, rofia, izay tadina dia tenomina, — na a min'ny akoran-dandy izay folesina sy ahasina amin'ny ampela dia aira sy tenomina — na amin'ny volon'ondry lava sy matevina tenomina: Lamba inona no nanaovana iny akanjonao iny? ~ Tapadamba lavalava anisan'ny fitafian'ny Malagasy, izay a taony mandrakotra ny soxony ka asampfny amin'ny tomba samihafa: ny lehilahy manao azy fola-droa, ny vehivavy manao sampin-kavia na sampin-kavanana na sampimbalaka izay atao koahoe "tari-joro": Tsy mety, hoy ny Ntaolo ny mitafy lamba eo imason'ny tompony. • Fanafohezana ny hoe "lambamena": Miomana ny hamono tomba an-draibeny sy renibeny ry zareo ao atsimo. - t.i.f.: Alamba, voalamba, lambaina I mandamba, fandamba, mpandamba / andambana, fandambana. - F,-p.: Lambajiafotsy: lamba atao amin'ny rafla. /Lamba jabo: lamba izay ny tenany rofia fa ny fahany land'rhazo. / Fahamborodamba: ny tenany rofia fa ny fahany vorodamba. / Lamba rongony: lamba natao tamin'ny rongony. / Lamba landihazo; bomba landy; bomba akotffahana: natao amin'ny landikely ka vita tenona mihitsy ny sorany. f Lambam-piraka: lamba tsotra saingy nopetapetahana zava-mamiratra ny manaraka ny sisiny. / Lam ba sarika: natao tamin'ny kofehy madinika nosarihana tamin'ny vatan'akondro. / Lamba arindrano: lamba tenom-betsileo, misoratra ma inty sy fotsy na haboka sy fotsy ny elanelany. / Lamba rano: lamba landihazo madini-tenons sady manify saiky kararavina ary nasiana loko manga mainty, ka natao lamba fisaonana. / Angoronandamba: ilazana ny olona efa leo laza amin'ny halatra ka vao mandala dia ahoron'ny olona ny lambany mihahy. / Latsa-damba: enti-milaza ny vehivavy diso fitondran-tena tamin'ny lehilahy iray. f Ma-,mono lamba: anambarana ny famonosan-damba ny maty na ny razana ao am-pasana. 1 Manary bomba: olona efalasa adala sy foka ka mandeha a min'izao tsy mitafy lamba. / Mandidy lamba: taloha dia nafatotry ny olona tamin'ny zoron-dambany ny vola, ka iny no nodidian'ny mpangalatra, mitovy karazana amin' ny mpangarom-paosy ankehitriny. / Mandihy tsy torahan-damba: ilazana ny olona diso faly loatra ka avy hatrany dia mandihy tsy maharay lamba hatao sikfna akory. f Manenda-damba: ilazana ny ataon'ny mpangalatra sy jiolahy manendaka ny lamban' ny mpandalo tojo azy. / Ma-vo lamba: ireo olona tsy mba mihaingo ka heverina ho mahantra, na dia tsy izany loatra aza. / Mijery lamba vaky: tsy miraharaha ny havany rovi-damba, manao asa azy. J Misampin-damba: ilazana ny fomba fitondrana ny lamba, sy fametrahana azy eo ambony soroka. / Mpitan-damba: ilazana ny naman'ny mpiady mipetraka ery an-tsisiny ary mitana lamba fa tsy mba miady. • h.i.: Ireo rehetra tsy mbaman dray anjara amin'ny zavatra iray atao, fa mitazana fotsiny. / Ram bon-d am ba: ny vola entina mitsapa alahelo ny mana-manjo. / Rouidamba ririnina, mosarempahauaratra: enti-milaza ny olona ao anatin'ny tena fahoriana na niharan'ny fahavoazana lehibe. J Tari-damba: fitafy lamba misy miramborambo mitehika amin'ny tany. / Tsy mahatan-damba: enti-milaza olona izay voasinton-javatra mafy ny sainy ka tsy voatafiny intsony ny lam bany. * Ohab.: Lamban'akoho ha faty no isarahana: enti-milaza izay rehetra tsy misaraka amin'ny tena raha tsy noho ny fahafatesana. / Lamban' Ikaladala: roui- tsisin'ny mpindmna: aoka samy hitandrina ny fananany ka tsy ho morainy na be indrafo loatra ka ny mpindrana indray no hanjakazaka aminy mandra-pahasimbany. J Manao sora--damba tsy tian'ny mpanjaka: enti-milaza ireo tsy manao araka ny sitrapon'ny mpanjaka (taloha ireny, fony fahampanjaka tsy refesi-mandidy, dia nofaizina mafy). /Mitafy lamba eo imason'ny tompony: enti-milaza ireo tsy tahotra tsy henatra ka mampidera ny zava-nindramina amin'izay nampindrana azy. J Ny fitia sora-damba: samy manana ny tiany ny olona ka tsy misy azo terena ho tia an'it? na iroa. J Touovauy tsy endrehin-damba sarika; tsy adidiko fa adidin-dreniny: raha misy tanora tototry ny soa nefa mbola tsy mahomby ihany, ny ray aman-dreny no mahazo tsiny. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel