Dikan'ny teny : lambana

Hampiditra dikany vaovao
1 a: Fipaohana, fifaohana zavatra, na fandavoana, fandringanana indray mandeha daholo, na filavoana, fianjerana, fahafatesana betsaka indray miaraka, toy ny miaramila maty an'ady na ny olona matin'areti-mifindra. - t.i.f : Lambanina, alambana, voalambana 1 mandambana, fandambana, mpandambana 1 andambanana, fandambanana 1 mifandambana, mampifandambana, mampandambana 1 milambana, filambana 1 mahalambana. • F.-p.: Lambam-bary (a.b.t.: vary midaboka amin'ny tany azon'ny ranonorana na ny rivotra): voa avokoa tsy misy afaka: Lambam-barin'ny fahavalo ny miaramila. Ataon' ny tazon-karena lambam-bary indray miankohoka amindRavola ny vahoaka (Ravelojaona). Ahitsio
2 a: Ravin'akondro a-tao solom-bilia fihinanana; ny ambain'ny tsihy, hazofisaka, ngorodona, varavarana. 1 t.i.f.: Lambanana, alambana, voalambana 1 mandambana, fandambana, mpandambana 1 andambanana, fandambanana 1 mahalamba na 1 lambandambana. - F.-p.: Main-dambana: entimilaza ny fonon'ny babinkatsaka hita maina, izay fambara fa efa masaka ny katsaka. Ahitsio
3 a: Ny fehezan-drindra hanaovana tsihy na mahavita tsihy fray. - t.i.f.: Lambanana 1 mandambana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel