Dikan'ny teny : lasa

Hampiditra dikany vaovao
1 na Lasana p.t.: Miainga, mandeha: Lasa anikeheo i Dada. / Manisa telo aho dia lasa 1 Milefa, mandositra, tsy tana: Tapaka ny fatorany ka Lasa ilay alika ~ Entina: Lasany ilay bokinao teto ambon y latabatra 1 Vidina: Aiza hovidiko iry satroka iry . —Efa lasan'olona io, tompoko. / Lasako dimampolo it9 amalona ity. ? Angalarina, faohina: Lasan'ny sasany halina ny kisoanay. 1 Tsy eo intsony: Zavatra efa lasana izany ka tsy tokony hofohazina intsony. ? Lany andro: Efa lasa izany iamody izany. 1 Maty: Lasa halina tamin'ny iray Rakoto. ~ h. i.: Man omboka milalao: La-sa aho. i ai. f.: Mahalasa 1 ahalasanana, fahalasanana. - F.-p,: Mahaleova mahalasana: teny entina mitso-drano ny ankizy na ny tanora ka irariana azy mba handresy ny sarotra, hahomby amin'izay rehetra hatao (ara-bakiteny: mba handresy ary hahalasa babo). / Lasam-borona, lasam-binany: llazana indrindra ireo zatovo verivery hevitra noho ny fitiavana, tratran'ny alahelo sy manjonitra tsy marary. / Lasa ambiroa: verivery hevitra sy verivery tadidy. f Lasan-ko razana: maty na nodfmandry. / Lasan-ko vavany toa harontabebaka: (jar. Harona). / Ririnin-dasa tsy tsaroana: mahatsiaro hatsiaka ny olona rehefa ririnina, ary izay tsaroana amin'ny fotoana iray no toa mamirifiry indrindra hatraznin'izay. f Akoho tsy naneno hatr'izay lasan'ny kary: tsy misy porofon'ny fahaverezana mihoatra noho ny tsy fahitana ilay zavatra na ny tsy fandrenesana ny feony. * Ohab.: Lasa tsy manao ue-Loma naman'ny tezitra (io ohabolana io dia matetika misy tapany manao hoe: tonga tsy mifampiarahaba naman' ny sosotra): araka ny lalàn' ny fihavanana malagasy, ny fiarahabana sy ny fanaovambeloma dia tsy maintsy atao raha mbola tsy tapaka akory ny fihavanana. ¶ M.h.: Niala, nisintona, nirintona, nihataka, nisintaka, nidify, "nadio ny rano nitana", "ny lalana mody no nasiany olona", nandao, nanifi-drano. — Lasa, niendaka, nisinda, nisava, dila. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel