Dikan'ny teny : lelaka

Hampiditra dikany vaovao
1 (lela) a.: Fanakisahana sy fanafosafoana amin'ny le-la. • Fandokadokafana tsy mendrika mba hahazoan-tsitraka. - t.i.f: Lelafina, alelaka, voalelaka / milelaka, filelaka, mpilelaka / ilelafana, filelafana / mahalelaka,leladelaka, - F-p.: Lela-molotra: filelafana ny molotra, mariky ny faniriana, ny filendalendana hihinan-javatra mahatsiriritra. / Lela-paladia: fitalahoana mafy, fiangaviana izaitsizy, fifonana ambany dia ambany. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel