Dikan'ny teny : maditra

Hampiditra dikany vaovao
1 (ditra) p, t.: Be ditra, mikiry tafahoatra hanao araka ny heviny ihany na dia fantatra fa tsy marina sy tsy tsara aza: Lahiantitra maditra, tsy mbola nahita ohatra azy io aho. • Minia manao ny tsy mety sy ny tsy tsara na dia tenenina lava izao aza: Zazalahy maditra iny fa mpisotro sy mpiloka ka tsy azonay ekena ho vadinao. ¶ M.h.: Mafy hatoka, mafy loha, mafy sofina, be bohihy, be marenina, donto, kirina, be kiry, be tohika, be dohika, kizitina, kafiry, madity, makikitra, be di-doha, mafy tadiny, mafy kitroka, mihizihizy, mahery loha, mahery vaika, mahery setra, mahery zaka, mahalava vava, manata-bava, matevin-koditra, mitsivalam-pandry, mahafotsy teny, mamotsy rora, tsy azo anarina, tsy hay toroana, tsy azo tenenina, tokam-bolana, tsy misy famavany, tsy andairan'anatra, tsy maty manota, tsy azo akisoka, tsy laitra akisoka, tsy azo atao ahoana amin' ahoana. Manao ditra, manao botraika, mitompo teny fantatra, manao ambaton'ikaky, manao amboa ditsoka, manao ambodihidy. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel