Dikan'ny teny : mafy

Hampiditra dikany vaovao
1 p.t.: Tsy malemy, tsy manana toetra mora vaky na mora potika: Mafy it? hazo it?. F• Tsy manana toetra malemilemy mahafinaritra ny tena: Mafy it? seza ib." fa tsy misy ondana hipetrahana 1 Enti-milaza izay ilana hery na ezaka ara-batana na aratsaina: Mafy ny raharahan' ny mpihady arintany. • Enti-milaza izay manery na mandidy izaitsizy: Mafy ny laldna nefa tsy maintsy arahina F! Matanjaka, manan-kerim-batana: Manatôna Rangahy raha mafy • Sarotra le-farina, manindrona, na henjana: Mafy izany teny izany. 1 Sarotra zakaina, mangidy: Mafy ny fahoriana nentin'io iehilahy io. ? Tsy mihontsina, tsy mety ketraka: Mafy io vehivavy io. 6 tif: Mafina, hamafina, hamafesina, hamafisinalmanamafy, fanamafy, mpanamafy 1 anamaflsana, anamafesana, fanamafiana, fanamafesana, fanamafisana 1 mahamafY 1 mafimafy 1 hamafY 1 hamafesana, fahamafesana. - F.-p.: Mafy fonosana: 1) enti-milaza zavatra (vola) voatahiry tsara ao amin'ny toerana azo antoka, sarotra alaina, 2) enti-milaza olona mahihitra, kahidy. / Mafy hatoka: be marenina sarotra atoro. / Mafy kely: tsy mitombo, hetry. / Mafy kibo: mitohana, m ah alam-piv alanana. / Mafy kitro: marenina, donto. / Mafy kitroka: mikiribiby amin'ny heviny, tsy azo ahodina — tsy mamela mahazo. / Mafy la: Mandà, tsy azo atao ahoana amin'ahoana. / Mafy loha: maditra, be kiry, be di-doha. / Mafy poketra: mahihitra, kahidy. f Mafy sofina: tsy mety manaraka ny anatra omena azy. j Mafy tadiny: marenina, tsy mihaino ny teny atao aminy. Mafy tahiry: (mit. hev.: mafy poketra). / Mafy tay: mitohana tsy mivalana — be tohika / Mafy uaua: tsy mety milaza izay tsy tokony holazaina, mahafehy vava. ¶ M.h.: Maozatra, komatry, matanjaka, tomady, avy ai-na, be aina, matomboka,hozatina, vokenana, fonetana. Manamafy, manofana, manatsohara; manantitra, mandalina; mankahery, mampahatanjaka, mampahavitrika Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel